Hanina anareo - Pissoa
Azo vakiana?
Hanina anareo
Tsy ny feo mitory aina nakarin'ireo voronkely
no namoha ny eritreritro,
Na ilay tara-pahazavana avy etsy am-baravarankely
no namily ny fijeriko ;
Fa ny hanina anareo, havan-tiana tafasaraka,
no efa te-hihariary,
Ka hany azoko natao, nialako ny fandriana -
dia nobanjiniko ilay sary.
Tsy ilay tsiky nisariaka, tsiky indray niserana
nomen'ny mpandalo,
Na iry volana baliaka mitory fanaperana
no nandrisika ahy hikalo ;
Fa ny hanina anareo ambadiky ny ranomasina
no niandry ahy mba hitampify,
Ka naleoko aloha nihira, toy ny fanaontsika
amin'ny masoandro dify.
Pissoa
Hevitra mandeha
winner (02/10/2007 21:02:35)
Izay avy ao anaty tokoa no mahery vaika noho ny ety ivelany an. Mahafinaritra ilay kanto nanehoana azy
jari (15/10/2007 09:44:03)
tsy mahasosotra mitsy ky ry pissoa a! mankasitraka e!
randria
pissoa (19/10/2007 15:19:52)
hery (27/11/2007 14:06:16)
Nifampiresaka izahay namana vitsivitsy mpanoratra teto tamin'ny fihaonana tany Paris 2007 teo dia anisan'ny notsahivindry zareo i Pissoa sy ity tononkalo ity.
pissoa (29/11/2007 19:28:59)
Misaotra anareo rehetra mahatsiaro :)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 02/12/2006
Mpamangy : 1556
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
SahiaTsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko