Ireo no ahy (Pissoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo no ahy

Ireo no niafy nanabe,
Nijaly foana an-taona maro.
Ireo no nampianatra ahy nandeha,
Nanoro ahy zava-maro.

Ireo no tsy hahafoy ahy,
Tsy hamela ahy ho any an-kady.
Ireo no he mangahiahy,
Raha hikapoka ahy amin'ny tady.

Ireo no mikiry, miari-tory;
Na dia tsy ampy ny eo an-tanany:
Ireo tsy mamela ahy ho ory,
Fa manome izay ananany.

Ireo no nanome hevitra
Raha sendra sarotra safidy.
Ireo koa no nilefitra
Rehefa iny aho nikiribiby.

Ireo no he fa mitomany,
Nefa mamela ahy handeha
Ho any an-tany lavitra any,
Mba hianatra, ho rehareha.

Ireo fa mbola miasa loha,
Na toa lehibe aza aho;
Ireo tsy tafandry, ireo mifoha
Raha sendra ratsy aho, mitalaho.

Ireo no tena mpankahery,
Na dia lavitra, tsy taza-maso.
Ireo tsy mamela ahy irery,
Fa miara-miady, bongo maso.

Dia ireo no aoka hifaly,
Raha ho tafita izato diako
Satria ireo no nijaly
Mba hahato ny faniriako.

Dia ireo no aoka isaorana
Raha mety izay mba vitako.
Ireo no naha-olom-banona,
Ireo no nanalefaka ny ditrako.

Raha ireo no hoe handao ,
Moa ho voafehiko ity saiko?
Fa ireo no tsy mba lao,
Ka iza intsony no antenaiko?

Ireo no tsy mba hohadinoiko,
Ireo nampivelatra fanahy,
Ireo foana no kaloiko,
SATRIA IREO, IREO NO AHY.

Pissoa (12 Mars 2005)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
2379 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 17/03/2005 08:46)
Atolotro ho an'i Dada sy i Neny io tonokalo io, dia atolotro koa ho an'ireo efa ray aman-dreny mitsidika ity takelaka ity.
Miarantsoa ( 17/03/2005 17:15)
Ireo tokoa no anao ry Pissoa ...
Valim- pitia tsara indrindra ho azy ireo ? Ny fahendrenao indrindra aty an- tany lavitra aty ianao !
Tafità soa aman- tsara ho reharehany !
Mahereza !
pissoa ( 19/03/2005 19:16)
Miarantsoa> Misaotra betsaka amin'ny firariantsoa sy ny fampaherezana e!
proost ( 21/03/2005 07:43)
miaiky ny talenta anananao aho ry pissoa tiako be ilay izy
proost ihany e!!
nyeja ( 21/03/2005 08:14)


pissoa a
Eny, marina tokoa
fa ireo no anao
aza manao kitoatoa
ny fananarana natao
dia ezaho hatrany
ho olo mendrika satria
raha tafita ianao any
reharehany aty
Ny Eja
pissoa ( 24/03/2005 10:49)
proost > tsy manan-talenta izany aho, na tsy fantatro moa izany e, ianao no niteny izany tamiko izao vao fantatro hoe mety ilay izy. Malahelo an'i Dada sy i Neny fotsiny aho dia manoratsoratra ato dia napetrako teto. Fa misaotra e!
Dia misaotra an'i Ny Eja konko!
Ny tononkalolao efa maro loatra mihitsy no voavakiko dia ...aoka fotsiny
Pissoa
nyeja ( 01/04/2005 05:35)
misaotra anao mamaky ny tononkaloko ry pissoa a , izaho koa aloha dia milaza fa manana ilay talenta ianao e satria dia nambabo ahy ilay tononkalo,
ny Eja
kally ( 02/05/2005 20:41)
Izany tokoa ry Pissoa e? Mahay manoratra ianao!
pissoa ( 29/05/2005 20:40)
saotsa e ...
doum ( 27/07/2005 19:59)
tsara be le tonokalo
nindramako ny tononkalonao nataoko fanomezana t@fetin'nyreny sy ray;tsy maninona ve
misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 15/03/2005 19:03
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102