Efa ela (R. ANDRIANIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ela ela anie ry tina
efa ela no nangina
efa ela no niafy
efa ela nisy rafy

Efa ela hatramin'izao
ny nandeferako aminao
efa ela, efa ela
no nanaja fanekena

Efa ela nefa indrisy
ny fiovana toa tsy misy
tsy notsiniko angamba
fa ny foko no efa jamba

Nitia anao hatramin'izay
satria nanaiky ny ho iray
saingy ianao no tsy nanaja
raha hifarana aza gaga

Rado ANDRIANIAINA
12-04-15
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
960 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R. ANDRIANIAINA
Nampiditra : radoandrianiaina2
Daty : 07/05/2017 05:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106