Izay ho vadiko!!! - r.epsilon
Azo vakiana?
Andriamanitra ô.....
Raha tonga ny fotoana
mbola velon'aina foana
Ka hatolotrao ny anjarako,
Dia izao no mba hafarako:
Vady hendry no iriko,
Tia ahy no sady tiako!
Mahay mijery ny any an-danitra!
Fa tsy mpidofon-dranomanitra!
Vehivavy resy lahatra
Ny Aminao Tsitoha Mpandahatra!
Mahay mizaka izay anjarany!
N'inon'inona tantarany!
Mpifandray aman'olona!
Tsy mba mora miolon'olona!
mikajy tsara eo am-bozonany,
Ny zo sy ny hasin'ny ankohonany!
Tso-piainana ihany!
Tsy mataho-bovon-tany!
Sao mantsy dia hanohitra,
'Ty zanaka tambanivohitra!
Mba hahatsara ny tontolo,
Dia mba vady lava volo!
Fa fantatrao ry Ray Tsitoha,
F'izay no tsy aritro taloha!
Faniriana ihany ny ahy!
F'izay voatendry, tsy manahy!
Fa raha hanampy amin'ny adiko,
Izay no tiako mba ho vadiko!!!
r.epsilon
Fianarantsoa, Mey 1990
Mombamomba
Mpanoratra : r.epsilon
Nampiditra : r.epsilonDaty : 13/10/2013
Mpamangy : 2461
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Natao ho an'iza moa ianao???Aleoko….
Aiza moa no tsy……
Ilay mpandalo maizimbolana!!!
I VOLANA
Bitsiky ny fo....
izaho ve?
Vavaka
Lamaodim-behivavy !
Bandy mafy ady!