Aza manin-droany (R.V.K)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza mamin-droany
.
Nandeha ianao tsy niera
Nanao izay tiana hatao
Mandatsa sy mamono
Isan'andro vaky izao
.
Hay nahita hafa
Hiondanandanan-tsandry
Ka namela irery
Ny foko sasa-niandry
.
Ankehitriny anefa
Tonga ianao mifona
Voadona tany ka,...
Manambitamby mora
.
Ho raisiko ihany anefa
Satria mbola tiako
Ny fiverenanao
No tena fifaliako
.
Nifona ianao k'anefa,
Tsy hanova lasa intsony
Ny hiangaviako lala oh,
Aza manin-droany
.
Ho anao ary
Izay sendra toy izany
Ekeo ny fahareseny
F'efa vita ny hadalàny
.
Tsy hanova inona
Ny hamafisam-po
Mahaiza ianao mamela
Raha hitady valisoa
.
Tsy misy tonga lafatra
Raha mbola eto an-tany
F'izay mamela eloka
Ho sambatra aok'izany
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
793 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103