Fa,..maninona ary aho??? (R.V.K)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa,...maninona ary aho ???
.
Hatramin'niafaran'
Ny fiarahanay
Dia,...
Vao mainka ny eritreritro
Mirohotra mankany
.
Dia lasa ny vinany,
Maka sarisary
Ny lasanay taloha,
Toa satry indray hifoha
.
Miherina eo daholo
Ny sangy manontolo
Sy ny adiady mamy
Fanaonay tamin'zany
.
Nefa ankehitriny...
.
Tsy mety ho voafafa
Milentika mamaka
Amin'ny tenako tontolo
.
Angamba,...
Voalaro anaty ràko
Dia tsy mety ho voasolo
.
Raha izao no mitohy dia,...
.
Tsimaintsy aho hiangavy
Hanindry ny ambom-poko
Hanainga sy hitady
Izay misy ny olon-tiako,
.
Fa hay ka izy ihany
Ilay tokako eto an-tany
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy : embona
579 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109