Hafatra (R.V.K)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafatra
.
Raha ho avy ny fotoana,hisarahako aminao
Handaozako ity tany izay feno siasia
Handriako am-piadanana ao am-pasana
mangiana
Tsy hihaonan-tsika intsony,mandrakizay doria
.
Raha misy ranomaso arotsakao ho ahy
Tsy hampihidy akory ny hidin-drangolahy
Tsy hanova ny fiainana nodiaviko hatr'izay
Tsy hampiova inona amin'ny fiainako indray
.
Fa ny fihavanana niarahana tety
Sy ireo anatranatra fanaoko taminao
Toavy,aza hadino,na fotsiny aza (i)
Raha vitanao izany dia,minoa fa sambatra aho
.
Rehefa any aoriana.....
.
Raha misy mahatsiaro ka manembona ny lasako
Voleo voninkazo manodidina ny fasako
.
Dia hanoraty kely fehezan-tonon-kalo
Ka farano hoe:eto no sampanana
Ery ambany kosa soraty hazava tsara
Mba hibaribay ny MANDRIA AM-PIADANANA.
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
614 1
Mpakafy: Ravakiniaina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157