Tonga ilay malalany (R.V.K)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga ilay malalany

Dia indro ny fanahiko
Nangasihasy teo
Naka sary an-tsaina
Ny hisy rehefa avy eo

Fa mantsy olon-droa
Efa ela tsy nihaona
No indro ho tafaray
Ho sambatra indray

Dia gina ny tontolo
Ingahibe masoandro
Nijaikojaiko mora
Nandositra natiora

F'izaho kosa indrisy
Minitra vitsivitsy
Nanganohano teo
Tsy nahaloa-peo

Any izay ilay tiako
Misambatra aok'izany
Tsy izaho anefa no any
Fa efa olon-kafa

Ny ho tohiny no asa...


R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
939 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103