Tsy afaka (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay anie aho mba ho afaka
Ny hamerina ireo fotoana ,ary koa ireo Ora
Ka ho nahay tsy nihambahamba, na koa ny goragora
Ka namoraka ilay fitiavana,toa tady tsy nety ho tapaka

Inay aho mba niteny, sy ny loa-bava
Fa tena tia anao, tsy niafina nazava
Saingy indrisy, nahoana re aho no nangina e?
Sa resin-tahotry ny tsy ho tiana?

Kanefa tamin'ireny, na dia tsy niteny
Ireo fihetsiko dia nazava, tsy nila ahy hilaza
Ilay fitia, toa nitia magina, fa anaty mivazavaza
Fitia tsy mety maty, toa fitiavan-jaza

Taona maro aty aoriana, reko injao ilay fitia
Manako ampoko ao, mamerina itony lasa
Mampatsiahy, ireo lalana niarahan-dia
Ary Indrindra, ilay tanjoko tsy kinasa

Toy ny vao omaly, isika mifanatitra
Ny andro hariva tsy tsaroako, anilanao aho toa finaritra
Fafinaretana ery, ny mamarana ny andro
Eny faravohitra, mena mody masoandro

Tsaroako ihany koa, rehefa alarobia hariva
Dia mifampitaona ireo tary, mba hikalokalo
Ilay fitsikinao, fijerinao, an-tsaiko mandrakariva
Tamin'ireny fotoana ireny, teo an-kianjan'Andohalo

Miraikitra ato am-poko, mandrak'ankehitriny
Ilay teny nolazainao ahy tamin'iny
Fa maro zahay no teo, ary tamin'izay tsikaritrao
Fa niavaka ny toetrako, ka nankasitrahanao

Misento lalina aho izao, mieritreritra ireny
Ka manotany tena, sy maminavina irery
Tsy natao ho an-tsika roa tokoa angaha no hiaraka?
Ka na samy tia aza, dia ny anjara no nampisaraka?

Tsoriko anefa ,izaho dia tsy nitsahatra nitia
Na dia nohezahiko ho hadinoana aza ny fisian-dry
Nanantena foana aho, fa mbola hisy ilay fihaonana
Ka ilay fitia izay nokoboniko, anatsahatra fisaonana

Saingy ho nofy ihany izany, eny hijanona ho nofy
Fa raha ny amitsika roa, dia tsy natao ho toa
Raisiko ho fampionona ahy, ilay masonao nitopy
Ny fiainanao no hirariako mba ho feno soa.

Sambara ianao, anilan'ilay nofinidy
Ny vavahady ny fonao nasoktrao ho azy, aza avela hihidy
Izaho kosa, hanohy ny fiainako,
Hitahiry ato am-poko, ireo fahatsiarovana maro
Ary hanandratra vavaka ho anao, raha sendra matsiaro.

Ra-Aina
7 Aug 2020
--------
Rohy:
639 1
Mpakafy: Ra-Aina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146