TSY MATY VONOINA (RA Freddy Jn)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maty vonoina fa miaina foana
Ny fitiavako anao r'ilay olona iny
Tsy haiko vahana fa mangeja hatrany
Miaka-peo foana tsy mety mangina.
....
Ezahako atao ny mankahala
Kanefa vao mainka aho mitombo fitia
Efa niezaka hatrany aho ny niala
Kanefa aho nivadika ho adalam-pitia.
....
Tsy maty vonoina fa zary voasokitra
Anatin'ny foko ilay endrikao
Tsy mety miala fa lasa nifikitra
Ka misento foana ny anatikoao
.....
Tiako hiverenana ireo fahiny
Fa mamiko loatra na dia niserana
Saingy izho mihitsy no efa tsy tiany
Ka aleo mangina fa sao hanenenana


RA Freddy Jn
25 Aprily 2021
--------
Rohy:
582 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RA Freddy Jn
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 28/04/2021 14:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147