Antony - Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa
Mahatsiaro matetika ny tany nialàna
ka tsy mety tamàna.
Manembona foana ny fiarahana omaly
ka zary mijaly.
Tsy mety mionona manaiky ny misy
ka mivolan’indrisy.
Misentom-pitia sy manina akany
dia rotsa-tomany.
Nefa manantena ny hiverina an-tany niaviana
ahita ny tiana.
Izay azoko heverina fa antony tokan’
ity fijaliana.
…Tsoa
13 sept 2004,Tolbiac Fce
Hevitra mandeha
rabona (25/03/2005 16:14:31)
mandalondalova raha manina fa aza mampijaly tena toy io e!! ,
NyKanto (30/03/2005 11:03:16)
zara-hetran'ny lavi-tany nihaviana
jaly no tsapa sy iainan'ireo lavi-tiana ...
Mahereza.
vetsoko (31/03/2005 10:38:28)
misaotra an'i NYKanto mahatsapa
andriary (05/04/2005 16:19:20)
Halalin'ny manina tsapako loatra
Ny tsy afa-manoatra
Ny halalin'ny manina:misento lava
manao dingan-dava!
Ny halalin'ny manina , tsy mahaloa-peo
Fa mampitoreo
Ny halalin'ny manina, te-hikopaka ho any
hanala tomany!
Halalin'ny manina, manafatra foana
Toa olona moana,
(raha azonao amboarina kokoa ry vetsoko ity tonokalo ity dia avoahy ao dia fiaraha-miasa vita?sa???)
vetsoko (05/04/2005 17:59:41)
efa eo mihintsy aho izao ry se a!ho avy e!
nikopol (31/08/2005 10:02:03)
mampatsiaro ahy ny tononkiran' i Rabearivelo ny figadon'ity tononkira ity :
"Ry voro-manidina mora malako
Aiza no hody?
ny foko tanora malemy sy bako
moa mba ho tody?"
zakilinina (01/09/2005 19:50:11)
Angaha koa i nikopol mba mahafantatra an'izany gadona izany ?
vetsoko (02/09/2005 07:50:57)
tonga dia hainao mihintsy ry nikopol a!Izaho mantsy nianatra tao @ lycéé JJR tany dago dia niampita tao amiko ilay aingam-panahiny
mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa
Nampiditra : vetsokoDaty : 24/03/2005
Mpamangy : 2395
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Aiza ho aizaFitia tsy mifamaly
Aza kivy
Oran
Mandrosoa
Izy
Toi...pour moi !
Ny aty sy ny any