Ampisambory - Rado
Ampisambory kely tsikitsiky iray
raha azonao atao
fa lasa sy nandao
ilay ahiko omaly, ka nampangaihay !
Ampisambory tsiky, fa tena an-tànan-dany
'ty làlana diaviko
'Lay mba notiaviko
Lasa omaly hariva ... Ary any dia any !
Ampisambory tsiky 'ty molotro sakaiza
f'izany sisa heriko !
Raha toa ka tsy voaveriko
Aza omena tsiny ... Ny resy moa hankaiza !
Des. 1971
Hevitra mandeha
kinaoly (25/12/2003 03:07:00)
dia mihodina manodidina ny tsiky foana isika; zaraina maimaimpoana sy amin'ny fo madio izy ireny fa tsy ampisamborina akory.tsy angatahina fa omena amin'ny fo tsotra.
fiaritiana (25/11/2005 08:24:19)
lapino (12/12/2005 03:52:10)
Tsiky tsy samborina fa omena manontolo,
Raha hampiafam-pery
Hanala ny irery
Hanampy hanadino an'ilay tsy ahitana solo
Tsiky tsy samborina fa omena manontolo
atao hampitraka
raha misy tsy zaka
Mamoha fanahy matory sy mahavelom-bolo
Tsiky tsy samborina fa omena manontolo
Fitaran'ny molotra
No hany azo atolotra
Ndrao koa ny tsikinao mba hiverina daholo
;)
Anael10 (01/02/2010 12:48:47)
Tena manala ny mavesatra ao ampo tokoa ny tsiky mitopy iray ; Ka raha izany fotsiny no ilainao dia omeko e! tsisy tambiny io an!
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 05/10/2003
Mpamangy : 6646
Mankafy : 7
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba