Mitsikia (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsikia ! Miràna endrika !
K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
ao anatinao, ry foko !
Pero aza ny fisento
tsy hipololotra intsony,
Ka ny masonao mijery
menamenan-dranomaso sy mifelan'entoento
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F'efa hatrany am-piandohana
no nazava taminao fa ny volana handalo
ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony ;
ny lohataona dia ho lasa ... ny valiha hitsaha-kalo,
ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony :
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve ? Fantaro !
Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
fa hanjary "perla" izy, toy ny fasika mavàny
Nokobonin-taona maro tao ankibon'ito sifotra
Ny toloko, atsaharo !
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
16914 9
Hevitra mandeha
rfanjav ( 10/10/2003 07:31)
Mahafinaritra io tononkalo io,
Manome hery ireo izay be sentosento noho ny fitiavana, sy famoizana malala.
hery ( 10/10/2003 09:23)
Misaotra an'i rfanjav :)
Raha vao tononkalo miresaka tsiky sy mampianatra hitsiky dia tena tiako be mihitsy... tsiky dia ampy e :)
kinaoly ( 25/12/2003 00:54)
mitsikia amin'ny fiainana dia hitsiky aminao izy
fetra ( 22/01/2004 18:28)
tsra fa tohizo
moktezuma1 ( 03/02/2004 16:53)
I RADO moa dia efa mpanoratra malaza dia malaza! Ary tena mahafehy tsara ny tena malagasy ka sarotra hoa hy ny hitsikera!Ny mba azoko tenenina dia izao, ilay tononkalo antsoina hoe"hery hafa" dia tena manome hery ho anay aty tany lavitra aty ka dia misaotra!
Njanahary
Anael10 ( 01/02/2010 12:23)
afaka ampifandraisina amin'ilay Tenin'Andriamanitra hoe "Ianreo izay kely hery , miantsoantsoa hoe Mahery aho", dia toy izany koa ity tononkalo ity , ho an'izay malahelo , mitsikia. Tena tsara
Tatil ( 31/05/2015 05:09)
Raha tsy diso aho dia toa mbola misy izao ao amin'ny andalana fahatelo io ataoko renin-tsoratra:
" Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
fa hanjary "perla" izy, toy ny fasika mavàny
NOKOBONIN-TAONA MARO TAO ANKIBON'ITO SIFOTRA
Ny toloko, atsaharo !
hery ( 01/06/2015 07:23)
Misaotra fa adinon'ilay nampiditra azy ilay andalana iray io dia nahitsiko.
Tatil ( 01/06/2015 07:47)
Tsy misy fisaorana e !
Tononkalo iray mba tena tiako izy io tamin'ny fahatanorako ka tena tadidiko.
Amboara tonokalo tsara ho an'ny rehetra ary ahatsiarovana ny Reny rehetra ihany koa.
arisoacool ( 10/06/2015 16:42)
tena tiako ny tonkalo misy anatra sy hevitra. misaotra ny mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : rfanjav
Daty : 10/10/2003 07:22
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173