Ny poeta (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpitondra teny,hafatra
mamatsy anao lafatra
moa aho fantatrao?
Poeta namanao!

Mamoha irony lasa
mpaniry 'zay mikasa
moa aho fantatrao?
Poeta namanao!

Milaza anao ny marina
manimba 'zay namboarina
moa aho fantatrao?
Poeta namanao!

Poeta tsy mijery
ny tenany irery
fa mitady irony very
Iza ary aho?
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
6204 3
Hevitra mandeha
AZTECA ( 29/04/2022 12:50)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Aloka24
Daty : 19/06/2019 11:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105