Raha mbola misy - Rado
Azo vakiana?
Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny akaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso !
Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
Nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina ?
Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra ?
Hevitra mandeha
hery (07/10/2003 09:28:30)
Raha mbola misy tsiky
Azonao a-tsiky
tsiky dia ampy
kinaoly (24/12/2003 22:39:51)
Ny tsiky toy ny masoandro, manafana izay mahay mandray azy.
pilokely (25/01/2004 09:20:00)
ny tsiky? zavtra kely, tsy de sarotra atao kanefa mitondra hery lehibe ho an'ny hafa ary ho anao ihany koa! mazotoa ary mizara tsiky!
ari.malala (10/06/2004 09:04:21)
Ny tsiky ve? mahasambatra izay mandray azy, tsy mampahantra izay manome nefa koa tsy mampanan-karena ziay mandray fa mitondra fifaliana. Manome hery izay reraka...
crrlanto (02/12/2004 05:32:26)
herimiampita (26/05/2006 06:56:37)
Tsara ity tononkalon-dRado ity fa vao mainka mampanembona rehefa arahin'ny feon-kiran'i Bessa....Mahalasa ny vinany eh! efa ririnina moa izao eto Madagasikara ka asa izay tsy ho lasa an'embona raha mikalo ity ...
Imam3 (11/02/2015 13:47:36)
Nahoana marina moa no tsy hitsiky???
katrynah (27/12/2019 11:38:23)
Le sourire coute moin cher que l electricité mais donne bcp de lumiere
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003
Mpamangy : 10327
Mankafy : 17
Tononkalo hafa
Noho ny zanakoTanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA