TOPIMASO - Rado
Topimasonao nandeha tan-kisendrasendra angamba
Ilay namaly ny ahy variana revo tamin'ny endrikao.
Nefa dia tsaroako loatra ho nahadala, nahajamba,
Nampisondrotra ny vidim-panombanako anao.
Dia natopinao indray fanindroany ny fijery
Sady nohalefahinao, novontosanao fanahy.
Ka nanonja hatrany am-poko ny akony maherihery
Fahiranon'ny fitia naharendridrendrika ahy.
Miha-mandevy hatrany hatrany ny hafanan'ny fo tanatiko
Tsara taniky ny topimasonao mivolon-danitra
Notsindriako tsy hihoatra, kanjo farany tsy tantiko
Tonga tsikin'ny fitia: fanjam-bony te ho hanitra.
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : elnilbleue
Daty : 29/05/2018
Mpamangy : 9048
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
TanjonaNy poeta
INAY
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO