VOROMANGA - Rado
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Moa fantatrao?
Ilay noharabianao fahiny
nohesoina ho vorondolo
no nahita izany tiany
sady tia ka nikolo.
Dia indro fa niova
tsy nitoetra ambony hazo,
na ho mpirenireny
fa efa mba nahazo
Tiana atao ho reni-
janaka atsy ho atsy
Nosoloina ihany koa
ilay helatra niofo
tanaty ezaka sy lofo
dia novaina koa ny sanga
ka indro voromanga
tia sady tiany.
Sokajy :
tantara
Hevitra mandeha
AZTECA (29/04/2022 12:52:25)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Vouromanga
Daty : 30/09/2016
Mpamangy : 13423
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FahendrenaSedra
FONY
FIAINANA TILY
Gasikarako, Tiako ianao,
TSY VOASOLO
Ry tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona