Olona tsy mahay mitia (Radofano)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mody tia ery ianao
Mahay manafina kilema
Nefa ao ambadika ao
Zava-doza mahonena

Koa heveriko fa tsara
Raha faranana hatreo
Izato pejin'ny tantara
Fandrao tonga hankaleo

Raha ny lasa sy ny vita
Avelao hivalona any
Aleo hadaboka ny antsika
Dieny tsisy ny tomany

Koa veloma sy masina
Fa hisampana ny dia
Ny andro sisa ao aoriana
Tsy natao ho antsika akia

Aza manantena ahy intsony
Ka hoe rahoviana indray
Tsy kilalaon-jaza tsy akory
Fa rehefa izay dia aoka izay

Miala tsiny amin'ny teny
Raha somary mafimafy
Zaranao aza izy ireny
Tsy nasiako teny ratsy

I..............no nantsoina
Ka ny akoho no namaly
Railovy nantenaina
HAY PAPANGO NAMPIJALY
--------
Rohy:
1906 1
Hevitra mandeha
andreasr ( 26/04/2007 07:28)
milay b le tonokalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Radofano
Nampiditra : becaprice
Daty : 13/07/2005 15:02
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103