hafatra (Rado)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho any ianao,kanefa....
Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao.Fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempaka ny aiko,tanatin'ny longoa
izay namandrihany ahy...
ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !

...Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila...
....Fa ny volofotsiko,
ny ketrokentron' handriko*Afeno dia afeno !
Azonao izany ?

Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy !Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an' efitranony :misy voninkazo
tsy maintsy mavokely...
Eo an-doha-fandrianany :
ny sarin'olotiany...na iza n'iza izay "
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy...

Izay no hafatrafatro
ka tazony tsara ...Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy...

Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho...

RADO 27 janoary 1966
--------
Rohy:
20781 11
Hevitra mandeha
miela ( 12/04/2007 22:32)
tena grand ianao Rado a!Otran'ny niainanao mihitsy le izy!
hachina ( 24/06/2008 11:06)
mpamalatradranomaso sy manohina ny fo maintsny
walte ( 14/04/2010 16:22)
Tena zokiben'ny famoronana tonokalo marina Ianao ry Rado izay mitovy anarana amiko saingy izaho tsy mahay
walte ( 04/10/2010 06:14)
Io tonokalo io dia anisany nanaovanay fanadihadihana lahatsoratra t@ malagasy t@ kilasy 2nd tany @ lycée Ifanadiana tany! ohatrin'ny mbola tsy maty mantsy enao ry Rado an!, ny soratra tokoa mitoetra!!!!
sitrakarandria01 ( 14/09/2016 11:16)
Tam tvm no naitako an'io tononkalo io fa latsa-dranomaso mintsy a,MBA misy Manana an'iny ve ato azafady?
Kiala.andria ( 26/12/2017 18:12)
Mirotsaka ny ranomasoko isakin'Ny mamaky anio tononkalo io..
sendratiana ( 22/06/2018 03:47)
maha vaky fo e. mampitamberin n lasako loatra u tononkalo u.
AZTECA ( 29/04/2022 12:59)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ombre
Daty : 08/12/2006 14:32
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014