Sahondra (Rafanoharana, Bolespara)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny antsefatsefam-bato misy vony iray bakora,
Mavo mena valabalaka, tena volom-bolamena ;
'Zato endriny sariaka, toa niangaran'ny natiora,
Tena maorina aok'izany, toa misatro-diadema.

He ! jereo ireto volony, tsara randrana aok'izany,
Mikorazorazo maro, mahafatifaty anie ;
Tsofin-drivotra malako, ka mipelaka hatrany
Mova ho'aho tsy ny elo, rony elo "japone".

Vony hafahafa ihany iny vonin-tsefa-bato,
Fa ny "orana midona" e, 'lay mpamoha ny vinany,
No iarahany mitafa amim-peo tena kanto :
Feo malefaka manaitra, 'rony saraka ny akany.

Moa mba fantatrao va re iny vony nolazaiko?
Tsy ankamantatra tsy akory fa ny fahitantsika indrindra
Ny anarany mazava, tena gasy fa tsy baiko,
Vao tononina dia meva, mendrimendrika firindra.

Iny vony kanto iny, mantsy no sahondra,
Lay fiventin'ny ntaolo, nefa mbola hirain-tanora
Tena vony manan-daza, sarobidy toa diamondra;
Vony saro-tsata loatra, tsy mba azoazo mora.

Bolespara 1952
--------
Rohy:
Sokajy : Voninkazo - vehivavy
906 1
Mpakafy: jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafanoharana, Bolespara
Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019 16:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135