Satrinay (Rafanoharana, Bolespara)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry ala be tapia
Eny atsimotsimo eny
Foko manina ny tia
O ! Henoy fa mba hiteny
Iangavio ry vorondreo
Raha mandalondalo any
Ma hitatitra ny feo
Feon’ny saraka ny akany !

Satrinay anio ihany,
Tsy mba rahampitso akory
Ilay fotoana tena mamy
‘Lay mpanala ny mahory.
Dia ‘lay ora izay hodiana
Hiaraha-mikorana ;
Eny ora mahaliana
‘Tony foko tsy tamana.

Satrinay anio ihany
No ho hita vetivety
Tsy ny Gara fivinany
Tsy mba Ivohitra fa Antety
Tsy ny Ranovisy intsony
Na ‘roa rano be mafana
Fa ny eo Manolotrony
Ilay fonena-nialana !

Satrinay anie, zalahy
Eo ankilan-dray malala

Falifaly ny fanahy
Tafaverina ao am-bala !
Satrinay ‘reo zandry tiana
Hanoloana maso anay,
Dia mba hisy hitsikiana
Sy hiaraham-paly ahay !

« Saingy indrisy ny mosary
Maharoaka ny amboadia
Any an’ala » O ry vary
No handaozana olon-tia.
Nefa any volana, any taona
‘Zay tokoa no faniriana
‘Sika manko ho tafahaona
O ! Maitia, ry fifaliana
--------
Rohy:
974 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafanoharana, Bolespara
Nampiditra : hery
Daty : 20/07/2020 16:07
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137