You are here: home > Vetso

MALOTON'ALIKA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Hatramin'izay dia nisy ny alika nihinan-doto
nisy ny amboa nandoha dia avy eo nisotro
.
Ny rano nojonoiny teo anivon-joron-trano
fa tamin'ny alina iny dia betsaka ny mamo
.
Mamon'ny lasopy sy rongony miampy toaka
tamin'ilay alika ilay mba nandeha nivoaka
.
Tao anaty vatabe izay famoahan-diky
hatramin'ny maraina dia mbola nisy mihitsy
.
Biby makafoka maloto mahafanina
ka nilaza ombieny hoe natsiro lesy ny alina
.
Nahazoany fy na dia diky niari-taona
izay no nahatonga azy ho mamomamo foana
.
Dia faly ny alika fa nisy nihinam-pihinany
tafitany ny hafatra tanaty tononkirany

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha