Soa fa nisy irony kintana ! (ho fahatsiarovana ireo maherifo nanafaka an'i Paris) (RAHARIJAONA Marie-Angèle)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa nisy irony Kintana izay nitondra hazavana,
Fanala haizin’ny alina !... Nisolo hoby sy korana
Ny fijaliana, fahoriana, tebiteby tsy hay lazaina
Nitondranao ny mangidy sady koa namoizana aina.

Nitondranao ny mangidy sady koa namoizana aina
Ny herisetra sy ny ady. Tsy kivy anefa ny fo sy saina
Fa mbola nanantena hatrany ny hiavian’ny maraina
Hitondra fiainam-baovao ho an’ny tany noratraina.

Hitondra fiainam-baovao ho an’ny tany noratraina
Ny marainam-piravoana izay satry hatrany hoantsaina
Fa marainam-pahafahana, bakobako, feno hanitra,
Mampientan-karavoana ny rehetra ambanilanitra.

Mampientan-karavoana ny rehetra ambanilanitra
Ny marainam-pahafahana. Ny fo sy saina dia finaritra
Mihoby ireo maherifo toa an-dry Rol-Tanguy izay
Nanao ny ainy tsy ho zavatra, tsy kivy na hoe nikolay.

Nanao ny ainy tsy ho zavatra, tsy kivy na hoe nikolay
Ireo maherifo nitolona toa an-dry Jeneraly Leclerc izay
Nandroso, tsy nihemotra mba hahazoam-pandresena.
Hahatsiaro azy ireo hatrany ny tany sy ny firenena.

Hahatsiaro azy ireo hatrany ny tany sy ny firenena,
Mpitolona ho an’ny Fahafahana ka nijoro, tsy nivena.
Ny fizianao ankehitriny, raha tsorina, tsy vazivazy :
Tao ireo Kintana namiratra, angady nananana azy.

Tao ireo Kintana namiratra, angady nananana azy.
Fanala haizin’ny alina sady tsy mpanao rainazy.
Nody ventiny ny ezaka koa arahabaina e ry Paris
Afa-doza, afaka atambo ka velombelom-bolo ery !
--------
Rohy:
1370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAHARIJAONA Marie-Angèle
Nampiditra : Vetso
Daty : 29/08/2004 17:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143