ASAKASAKAO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASAKASAKAO

asakasakao,
raha toa andao ity akany,
asakasakao,
hangala-pitia ambadika any
fa ny foko mbola eto
tsy miova, fa misento
misaina foana anao
koa asakasakao
raha ho ataonao kilalao
ny fitia natolotro ho anao

asakasakao,
raha toa ka ampahory ny foko
asakasakao,
raha hitia an-tsokosoko
ny olon-tsy manina
nefa tsapanao hamarina
ny tontolo misy anao
koa asakasakao
raha toa hilalao
fitia randram-bao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
01-02-2019
--------
Rohy:
1116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159