NISY FAHATSIAROVANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY FAHATSIAROVANA

Nisy toerana mangina
nolalovanao tsinahy
saingy tsy azonao an-tsaina
ny tantara noraketiny
nisy toera-manirery
nolalovanao mangina
nahatsiarovanao ny lasa
ka tosin'olon-kafa no sisa
mampiaina ny tontolony
ka mitamberina aminao
ny hasambarana mamy
tamin'ilay ambohimanina

nisy diary nirakitra ny lasa
tavela tany ho any,
voarakitra ao daholo
ireo dina ny fitia
saingy ao anatiny ao!
misy pejy iray mimaona
tsy nahitana soratra
kanefa nisy sary
tsy haiko vinaniana
izay mba tiany ambara


Nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 05-12-2019
--------
Rohy:
577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149