You are here: home > Vetso

TETO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

TETO

teto nisy fo naratra
nilaozan'olon-tiana,
teto no voafafa
ny toky sy ny dina
nampitambatra ho iray

teto nisy endrika
hotohoton'alahelo
teto koa no rendrika
ireo tsiambaratelo
nitambarana hatrizay

teto koa no rava
ilay fitiavantsika
niriana ho lalandava
saingy rovitra sy tritra
ilay diary nitambarana

teto nisy maso
nandrotsaka tomany
teto ireo ankaso
no namotika ny akany
ny akanim-pahasambarana

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 14 janoary 2019




Hametraka hevitra

Midira aloha