TIAKO IANAO 2 (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO!

raha mbola misy fotoana
hibanjinan'olon-tiana
dia venteso imolotrao
ny hakanton'ilay fifiny
voaravaka hatsaràna,
manokàna minitra iray mimaona
hilazanao mangingina
ny vetson'ny fonao
fa ny tsikinao no tsikiny
ho hitanao fa ho revo sy ho tamàna
ny fony tena tia

raha mbola misy koa fotoana
hitsiriritana olon-kafa
dia ataovy an-tsaina hatrany
fa efa nisy fo nitia
ny fonao be fitiavana
koa aza avelanao hisaona
ny fo mora maratra
ny maso mora tomany
ary aza mba manary dia
amin'izay sampanan-dalana
filalaovana fitia

fa teny monja iray
no andrasana aminao
raha ny ankoatrizay
angamba kilalao
tiany ianao,
ianao koa tia azy
ka fo tsy mifandao
sy fitia tsy misy vazy
no andrasana aminao
koa teneno mafy hoe : "tiako ianao"

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
Tanjombato 31 Janoary 2019, 19:12
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1601 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109