TILY AHO R'ISE (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TILY AHO R'ISE!

tily aho r'ise a!
tily toa an'ise
tily tena vonona
ho tarafim-piarahamonina
ho maha te ho tia
fa tsy sanatria
ilay tily,
handeha hivily
hivarina any an-kady
fa hijoro tena kiady
ho an'ny fikambanana
eny ho an'ny tanindrazana

tily aho r'ise a,
tily toa an'ise!
tily hatrany hatrany
eny hatrany hatrany
ho an'ny fanabeazana
fa tsy hitazatazana
na hiraviravy tanana
hanimba fikambanana
fa ho tily tena hiasa
ary manana fikasa
amin'ny fampandrosoana
ireo asa fanompoana

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
23-09-2021
(ho tohin'ilay tononkalon'i Nalisoa RAVALITERA
tany an-tranonmbitsika)
--------
Rohy:
533 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133