TSIARO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO

ny tsiaro ny omaly
navalon'ireo taona
tsy foana akory ireny
fa mitoetra ao an-tsaina
ny embon'ireo lasa
efa zary hirahira
Notinefy tao an-tsaina
angamba efa kalon'ny fahiny
ary ireo tononkira ny fitia
zary lasa vetsovetso
hatsiarovana ny omaly,
tomany no hany setriny
injany vetson-kira
manako sy milanto
avy any an'efitra any
toa tonga tsy antsoina
ho eo imolotro eo,
injany ako-taralila
notinendry tam-baliha
no kalo tankariva
toa miangavy mandondona
ny varavaram-poko
lasa tsiaro tato an-tsaiko
ireo kisangy sy ny tosy
ka ny tsiaronao no tsiaroko
ny lasanao no lasako
ny fahiny izay nampiombona
nefa nazeran'ny anio
ka niparasaka ny fo
ny saina no iray
ka samy mahatsiaro
ny takoritsiky ny lasa
samy vonton'alahelo
ny fonao sy ny foko
izany rehetra izany
tsy ho foana akory ireny
fa mbola hisy mandrampihaona
ka veloma vetivety

nosoratan'i R-R mahavonjy Aimé

19-08-2019 tao tanjombato
--------
Rohy:
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162