VOLA...! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLA ...!

raha zavatra vitan'ny tanana,
hiforeto fa'aza hitsanganana
ikipio fa sao hanenenana
ary ataovy ho fafinaretana
ny asa izay tanterahana

ary izao no tsy azonao lavina
ny vola tsy maintsy tadiavina
ny vola no iri-maha-ory
kisendrasendra nofisi-matory
kisendrasendra no tonga eo an-tanana

ny vola izay toy ny vahiny
miserana tsisy adiny firy
mandalo mamangy tanàna
toa vahiny tsy mety tamàna

ny vola no ambony indrindra
ny vola no hany mpandrindra
ny vola tsy maintsy tadiavina,
ny vola tsy maintsy mba tiavina

RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
06-12-2021
--------
Rohy:
476 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152