VONONA SY VANONA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONONA SY VANONA

mamy ianao ka mamy
ndimby ianao ka ndimby
ho mamy hatrany hatrany,
fa tsy hampitondra ny mangidy
ny faritra hiadidiana

tanora vonona hiady
hijoro an-kasahiana
hanangana ny hoavy,
sy hanatsara fihariana,
fa tsy hampitondra fahoriana

tanora vonona hijoro,
hitondra fanovàna
hanampy sy hanoro,
ireo mpiray tanàna,
miandrandra fiovàna

mamy ianao ka mamy
ndimby ianao ka ndimby
hiady hatrany hatrany
sy hiaro ilay safidy
tsy tambazambazan-jala

Hafatry ny penina (RAIMS RANDRIAMALALA)
28-03-2019
--------
Rohy:
1065 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154