ZAZA SY LALANY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAZA SY NY LALANY!

eny an-dalana eny
misy zaza malagasy
tsy mba misy ray,
fa kosa velon-dreny
tsy any an-dakilasy
tsy anaty trano lay,
fa mitoetra anaty fako!

eny an-dalana eny
feno zaza tsy niriana
feno zaza verivery
angamba tsisy reny
na niniana koa nariana
ka zary miady irery
sy miaina anaty fako

iny sisin-dalana iny
misy fahoriana
toa tsy mba taza-maso
nefa zaza firifiry
no mizioga fijaliana
noho ny sompatry ny ankaso
dia mangataka ariary zato!


RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
iray volan'ny teny malagasy sy ny ankizy
23 jona 2021
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158