Ny fon'ny poety (RAJAOBELISON Samüel)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsapa ny mahory, manasa ka manasa
Ny ratra samy hafa navadika ny rasa.
Mivavaka mangina, mandrotsy sy manefy,
Mandoko sy mandambo, mandrefy ka mandrefy
Ny elanelam-betso sy tanjona mankany,
Aiza anefa izany ? tsy misy fiafarany,
Mampilalao ny hafa, manolo tsy mandray,
Ka mety ho fahoriana ny tambiny amin'izay,
dia toy ny voninkazo manaiky ho voasazy
Ho fifalian'ny maso hatreny anaty vazy.

Ny fon'ny poety dia kianja mampiray,
Ikarenjen'ny olona, anaovany antsojay,
ny tonon-kira ataony izay voton'ny fanahy,
dia lanitra ikambanana tsy misy azy sy ahy.
Ny tenabeny kosa mazana tsy omby trano,
Fa lolon-javatra izy sy zanakalondrano.


(Nivoaka an-gazety Madagasikara Sambatra ny 29 Septambra 1965)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
875 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAJAOBELISON Samüel
Nampiditra : razanatany
Daty : 31/03/2013 14:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102