RESAKY NY FOKO - RAJAOBELISON Samüel
Ny androm-piainako e ka mitsimbalivaly
Hafa ny anio, hafa ny omaly,
Malefaka fitempo toa mamelovelo ?
izany no mitory : ao ny alahelo ?
Misy andro tsara feno hazavana ?
Izaho mively amponga doboka mafana,
Mitsinjaka ao anaty toa tsy mahatoetra
Manova ho falifaly ny endriko rehetra.
Izaho tsy hita maso anefa tianao ho fantatra ?
Fitaratra jereo hivaly ny ankamantatra
Mivadibadika eo ny sento sy talaho.
Hiovaova eo ny fiainako miafina,
Sarotra kanefa mora raha tarafina
Ny androm-piainako e ka mifamahofaho !
ZAKARANDAHY Septambra 1954
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : RAJAOBELISON Samüel

Nampiditra : razanatany
Daty : 31/03/2013
Mpamangy : 947
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Raosy jambaNy fon'ny poety
DADA