Embona sy hanina - Rajaonarison Jean Edouard
Lasalasa ny vinany
Mieritreritra anareo.
Jerena ny elanelan-tany
Dia tankina, tsy mahaloa-peo.
Any izay i Hanitra sy i Hoby;
Ny fiainany any, manao ahoana?
Tsy hita, lavitra ny toby.
Mba misy mamy, sa dia foana?
Embona, hanina mazàna
No mameno fo sy saina.
Mitobaka, eny, fa tsy tana,
Fa mahatsiaro Sombinaina.
Hendre tsara, mianara
Hanarina an'i Gasikara.
09/05/91
Sokajy :
Fahatsiarovana
Hevitra mandeha
gasikely79 (21/11/2003 14:45:48)
Mahafinaritra sy mampatsiaro an'ireo nahalehibe tsy nahafoy any an-tanindrazana.
Sambatra ny zanak'io olona io!!!
Mombamomba
Mpanoratra : Rajaonarison Jean Edouard
Nampiditra : sipagasyDaty : 05/11/2003
Mpamangy : 3640
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fiainanaTrondro kely
Soava dia