NY TOTOZY (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny totozy no tiana ho velona
Manaova ny havoretrana
Ny vady no mila mifamelona
Hitazomana lay fitiavana mafana

Ny totozy tiana ho velona
Mba hiveloman'ny saka
Indraindray isika olombelona
Mahay mifanalabaraka

Ny totozy tiana iaina
Mba himparitahan'ny aretiny
Isika mila misaina
Sao hifindrany pestany

Ny totozy tiana hibitaka
Tsy misy mpifehy dikany
Isika tiany ho ripaka
Amin'ny aretina isakarazany

Ny totozy tiana hovonoina
Manaova ny totamboalavo
Ny teny tsy maintsy tsaroina
Hazomina tsara sao lavo

29 mars 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - vazivazy - Ahiahy - Ady
1089 1
Mpakafy: Masoandro Mainty
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144