Aina sa fitiavana? (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINA SA FITIAVANA ?
Ho an’i Malalako avy @ Hary (valiny "ianao no fanafodiko" Malalason)

Faniriko loatra ny ho eo anilanao
Nefa moa tsy anjara ka aza omena tsiny
Raha minia midify ny salovan-tavanao
Fa tsapako tena manonja ankehitriny

Ny embona anao !

Tsy misy anefa vahaolana
Hamerenana, ny tantaran-tsika
Raha tsy hoe angaha hialana
Ny taratr’andro mibaliaka

Ka hikambana amin’ny vovoka !

Aina sa fitiavana ? iza no tianao ?
Fa ny ahy aleoko fitiavana
Tsy haiko koa ny miaina raha tsy eo ianao
Ny ahy fitia tsy fanambazana

Ka atakalo vola sy harena !

Hevero lalandava toy ny eo anilanao aho
Amin’ny androm-piainanao rehetra
Tiavo toa ahy koa ny olon-tianao vaovao
Fa aza avela bobongolo sy hanjoretra

“Ilay fitiavana madio” !

Malala hajao ny fitiavana
Fa izy no voalohan-karena
Na tsy tia anao aza ny Havana
Ny olon-tiana ? Izy no voalohan-karena

Ka tolory haja amim-pahendrena !

Antsahakely 07/11/04

Hoy I Hary Malalanao

R. JO
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1185 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115