Angamba tsy hadisoako!!! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy fanahy iniako, izao taratasy izao
Fa noho ny halavirana sy ny maso te hahita
Nefa tsy afaka hijery ny salovan-tavanao

Tsy hoe, fahamenarana hiresaka
Hifanatrika aminao
Fa noho ny sakatsakana
Mpahazo ny mpifankatia
Dia nataoko ihany izao

Nataoko ihany koa
Mba hamalifaly, hosaintsainonao
Rehefa, ianao mahatsiaro ahy
Ka te hamikitra ny tanako
Ho vahatra ifaharana
Fa ngoly fo amam-panahy

Nataoko tsotra izao ity taratasy ity
Na dia tsy ho valianao
Hosoratako ihany ‘lay hafatra fitia
Sao mba mety ho ekenao

…mbola eto indray
no hamerenako ilay teny
Somary nahataitra anao
“Malala ! misy hadisoako ve?
Raha toa ka tia anao?”

R.JO (28/05/04)
--------
Rohy:
1734 4
Hevitra mandeha
bichette ( 13/07/2004 16:16)
aza adino ny timbre rehefa mandefa any aminy.
watsa ( 05/10/2004 22:05)
tsy adino ry bichette ah!
vetsoko ( 07/12/2004 17:40)
tsy misy hadisoana ny mitia ry se a!na hisy valiny na tsy hisy valiny
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146