Efa mba nanao aho ! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA MBA NANAO AHO


Efa mba nitantana aho tamin’iny lalana iny
Efa mba nampandrosoina raha niendrika vahiny

Efa mba nolavina raha namboraka fitia
Efa mba nampanantena raha nanaiky ny hiara-dia

Efa mba nikasa hanao izao rehetra izao
Efa mba naniry izay hampiadana anao

Efa mba nikely aina hanao izay hahasambatra
Efa mba nandefitra tamin’ny fo tsy niangatra

Efa mba namoy fo tao anaty hirifiry
Efa mba namboly voa kanefa tsy naniry

Efa mba niery tsy ho tazam-pahakiviana
Efa mba nahafantatra karazan’olon-tiana

Efa mba nahita ny mbola ho hitanao
Efa mba nioty voankazo tsisy taho

Efa mba nanoratra tonon-kalo maro
Efa mba niventso ainga maromaro

Efa mba nanao aho ny ratsy sy ny tsara
Efa mba nanoratra karazana tantara

R.JO (21/07/04)
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
2322 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109