HANY SISA IFANAOVANA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANY SISA IFANAOVANA

Andeha izao ny tenanay
Ka hametraka veloma
Tsy ho doria mandrakizay
Fa veloma mandram-pihaona

Hanainga izao ny fiaran-dalana
Ka indro kofakofan-tanana
No hany sisa ifanaovana
Amin’namana nilaozana

Ranomaso no tsy latsaka
Fa ny tena fotsy hatsatra
No ahafantarana fa mafy
Ilay fiainana mpigafy

Tsofy rano ho tonga soa
Sy hatratrasoa ihany koa
Rehefa miverina tsy adinoko
Ny voan-dalana vimbiniko

Ho anareo rehetra rehetra
N’iza n’iza tsy voafetra

Malalason 28/04/07
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1151 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163