HEVERO HO TSY MISY (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HEVERO HO TSY MITENY

Hoany indray aho
Tsy hoe hamangy anao
Fa hitondra hirahira
Kalokalon-tsovenira
Ho an’ny tapaka sy namana
Indrindra fa RAMBOLAMANANA

Fety be zany andro zany
Tsy roa fa tokana aman-tany
Toy “ilay ianao” zay teo aminy
‘Lay hany ravaky ny akaniny
Dia hoany indray aho
Fa tsy hanantena ahita anao.

Raha vao tazanao ny sariko
S’ireo maso baribariko
Mipetaka eny rehetra eny
Dia hevero ho tsy miteny
Fa toy ireny ihany aho
Fony vao nahita anao

Rehefa tsapanao maratra
Ilay fo kely ao an-tratra
Dia hadinoy tanteraka aho
Fa tsy voatokana ho anao
Ka aza saininao akory
Sao ianao ho sorisory
Tsy ahazo aina noho izaho
Raha ny amiko? Avelao.


Malalason 03/07/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2049 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108