I BAKAKA sy ny TARINY (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I BAKAKA SY NY TARINY

Tabataba tsisy farany
Ao an’ivon’ala ao
Mampahafantatra ny anarany
No ataony kilalao

Samy miezaka manandratra
Ny feo-kadradrany daholo
Ka sondriana mbamin’ny angatra
Mihiaka mampitsangam-bolo

Mampanantena Saha – Edena
Sy Nosy feno hamamiana
Ry mpanafina kilema
Mijoko mora avy ato aoriana

Rehefa “lôvy” ry Bakaka
Dia minia manakorontana
Misompatra ny ao an-dapa
Toy ny voan’ny haromontana

Tsipaky ny maty an-drano
No hany sisa mba natao
Koa raha tsy te-ahita angano
K’hifidy vava be lazao?

Ka aoka itsy ry Bakaka
Mba ovay ny fombanao
Aza tia mandrava laka
Tsy aharesy azy akory ianao

Fa raha izy no mihira (Ny vorona)
Manofy mamy ireo matory
Fa raha sahy ianao midira
Ho toraham-bonjobory

NB:
Bakaka : Sahona
Vorona : Railovy

Malalason 19/06/06
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
2041 2
Mpakafy: Aro-Zo - Malalason
Hevitra mandeha
hasikanto ( 01/07/2006 04:48)
Tsar ny hevitra satria nahita fy ny mpamaky.

Misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149