Isaky ny misy tia (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAKY NY MISY TIA

Isaky ny misy tia
Dia izao no teny ambarany
Mahate-ho tia ianao,
Ary koa mahafatifaty
Toa misarina anjely

Raha tsy izany indray
Dia lazainy tsotra izao
Fa tena tiany ianao
Ataony ravaky ny akaniny

Ventesiny eo daholo
Ny sarin-teny rehetra
Mba hambabony anao
Nefa ao ambadika ao
Ny fandrika velariny

Dia indro ianao fa revo
Manainga zipo lava
Hiampita rano lalina
Feno bibilava sy
Foza maro tanana
Hanaikitra anao

Fa izao :
Banjino aloha ny ho avy
Sy ny mety ho hiafarany
Sao ny mamy lasa ngidy
Ka ho tanambokovoko
No entana sahaza anao

Mahaiza, miaina tsara
Mianara ny mitia
Fa mandalo ny hafaliana
Ka aza dia variana !

R. JO
02/12/04
--------
Rohy:
1102 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
sonwin ( 05/12/2004 16:56)
Anatra tsara ho an'ny sipa kely io ka
jeroma ( 06/12/2004 12:34)
Mba lalina indray izany R Jo ,(Bibilava - foza - tanana , izy daholo ve izany e )
Njaka
vetsoko ( 07/12/2004 17:32)
za koa anefa efa tia...
yonikafopl ( 15/12/2004 22:43)
ka ilay fitiavana ange ry RJO indraindray tsy hay tohaina fa tonga dia miboiboika e!! efa rendrika zay vao taitra,
nefa tsara ihany ilay anatra, tsara ho raisina sy ianarana.
Misaotra anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151