LANY FANAHY, NAHIA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LANY FANAHY, NAHIA

Manjeny lava ny fanahiko
Lasam-borona tsy satry
Manjohy ny lalan’ny fitia
Ka ny sento no hirahiko
Hitondra embona tsy tanty
Fa manirery sy mania

Nihitsan-dravina ny felana
Voahoty manta ilay voankazo
Nodimandry ilay masoandro
Siningotry ny elanelana
Ka injao fa miha-malazo
Mantamohaka nahandro

Siokam-boro(na)-diso akany
Injao mamolivoly ny aina
Manindrotsindrona fanahy
Ilo-tsolika tomany
Fo mitempo toa malaina

Fitiavana mangina
Mikoriana anaty rà
Misoko moramora
Ratra tsy nirina
Mandrimbona fanahy
Malemy sy bakora

Tsy manam-pahataperana
Raha ny fitiavako azy
Tsy hita noanoa
Kanefa dia leferina
Natao fanalan’azy
Ka mankarary fo

Fitiavana mangina
Sy miafina hatrany
No mba niarahantsika
Fitivana nirina
Ho paradisa mamy
Kanefa nangatsiaka

Eny, sombinaiko
Raha ho lany ihany ny androko
Ny fahafahako ho gadra
Dia tsarovy ry lalaiko
Fa ny foko sy fanahiko
Ts’hitsahatra hidradradradra

Ny rà sy nofoko no levona
Raha mandao anao ny tenako
Ka tsy ahita anao intsony
Ny tsiaro no hampievina
Ary tsisy hanenenako
Raha maty aho ka tony.

F’efa mba nitia
Toy ny olona rehetra
Nandalo tamin’izany
Lany fanahy, nahia
Nisento, nanjoretra
Nandrotsaka tomany.

Malalason 07/12/06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1207 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142