MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHELINA TOKOA

Valin’ny tononkalon’Ny Kanto hoe MIHELINA


Tsy ny olombelona ihany no miserana (mihelina)
Fa ny zava-drehetran’ny tontolo izao
Ka ny soa indrindra sy fanamperana
Dia mbola hielina tahak’izao

Kanefa aza adino ny kolokolony
Zay mitsimoka anaty tsy mety lany
Ireo dimby hamelona ny tontolony
Fa izy maty namela mamy.

K’aza misosok’alahelo intsony
Raha toa ka tonga ilay anjarany
Fa vita ny azy ny fanompoany
F’isika manohy an’ilay tantarany

Ary aoka isika hanongo tena
Samy hiaiky fa mbola ho any
Mino isika ary manantena
Fa hifankahita any an-danitr’any

Ny hany mba hafatro dia izao
Aoka isik’olombelona hifankatia
Fa mafy tokoa zany mifandao
Mifanao veloma mandrakizay doria

Malalason 13/10/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2669 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101