NEKENA FA NOLAVINA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NEKENA FA NOLAVINA

Tiako ianao kanefa aleo koboniko ho ahy irery
Tsy tiako harary fo satria hiainan’ela ny fitia
Tsy ny androany ihany no higohana ny mamy
Tiako ianao ka noho izany tsy avelako ho very

Hitako amin’ny endrikao fa tena tia tokoa
Tsy tiako raha tomany no handravaka izany
Afeniko anao rahavako fa ianao ‘lay fitiavako
Tsoriko eto ihany koa, tsy tiako ianao raha voa

Tsy tiako haratra ny fontsika, vesatry ny fitiavana
Tsy tiako harary koa ny saina, efa reraky ny miaina
Tsy mora anefa ny hanadino, f’isika roa samy mino
Fa tsy fantatr’ireo havana, f’efa nitambatra fitiavana.

Hampirimo ao am-po, ilay fitiavantsikaroa
Izaho mantsy indray miserana, ianao hijanona eto an-toerana
Ka tsy tiako harary isika dia aleoko nitsoriaka
Nampangatsiaka ilay fitia, te hiaraka fa « TSIA »…

Malalason 06/04/13
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3366 2
Hevitra mandeha
andriary ( 25/04/2013 11:33)
mbola ato!
fo mitempo , sy misaina
Malalason ( 08/07/2013 20:32)
Eny mbola ato aho ary tsy miala ato mandram-pahafatiko...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018