NITETIKA NY HO KALA BE (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faharetanao no tena nantenaiko
Tamin’ny fotoana mba niarahantsika
Kanefa moa ianao nilaza fa ts’ilaiko
Raha hiafy lava izay vao hisy fika.

Ny hoavinao anefa no tena nimasoako
Tamin’ireny fotoana rehetra ireny
Niniako nobanjinina nataoko teo anoloako
Fa nodianao tsy hita, ireo fihetsiko niteny


Ankehitriny ianao solafaka ka lavo
Nangirifiry mafy, niaritra ny ratrany
Ianao ilay nanantena hanakatra ny avo
No potraka nianjera ka zary toa tsy fantany


Malalason 18/11/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2681 1
Hevitra mandeha
maeva74 ( 04/04/2010 23:47)
Giravy koa ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109