Rehefa...veloma! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA … VELOMA

Rehefa lasana aho ka tsy ho tazanao intsony ny salovan-tavako
Fa tantanra sisa no ahitanao sy ahatsiarovanao ny anarako
Efa niova ho vovon-tany sy nivadika ho lò ny tenako rehetra
Fa ny tsiaro kosa, tsy ho faty na oviana fa tsy maintsy hitoetra !

Ny hafalian’ireo sakaizako sy ny hirahira mamy tamin’ny androm-pahavelomako,
No iriko hampionon’azy amin’ny androm-pahafatesako !

Raha hifandimby hamely anao ny alahelo sy tomany
Na hisetrasetra anao ny ankason’ito tany
Dia ny lanitra banjinina, somary araho vavaka
Ao ny Tompo no mitoetra ary Izy tsy manavaka

Vonona hamaly sy handray ny fitarainana
Indrindra ho an’ireo izay reraky ny fiainana


Fa REHEFA lasana aho ho any an-tany paradisa
Dia tsy tsy hisy intsony azo atao fa fahatsiarovana no sisa
Tapaporohana, hany sisa mba navelako ho soroninao
Eo am-patan’ny fiainako sy ny vilany nongony mbola feno anao

Veloma! Eny… tena veloma farany hoy ny fo manolotra
Fa hangina izy anio hitsahatra hitepo tsy hiaina intsony
Ka izao no teny farany
Veloma hono antsoiny
Fa vovok’izy mantsy
Ka hiverina ho vovoka !
Koa izao :
Veloma ianao fa lasana aho !


R.JO
Nosoratana tao @ BIRAON’I ROJO Ambondrona
17/04/03 t@ 5ora sy 44 mn hariva
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
3212 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103