Saha-edena (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao hitako ianao
Dia nahatsiaro potika aho
Ka ninia tsy te-ahalala
Nikitika sy nanadala

Ianao anefa tamin’izay
Toa tsy nahajery ahy
Fa nanondrika ny loha
Raha nahita ahy teo aloha

Ny topi-masonao
Manitra ny ao am-po
Ny tara-tsikinao
Tonga lafatra tokoa

Noharabaiko moramora
Dia nijery kely fotsiny
Raha namaly sy niangola
Toa tsaroako ery ny ngotiny

Izany isika nifanena
Toy ny tao SAHA-EDENA
Nifampitsiky sy nihomehy
Nifampibanjina elabe

Tsy tsapanao ve ?
Fa tia anao aho ?
Mba lazao re e!
‘Zay ao am-ponao ao

Raha vao hitako ianao
Dia nahatsiaro potika aho
Ka dia tsy nisalasala; niteny hoe :
Tia anao aho ry malala !

Ianao anefa tamin’izay
Dia efa sahy nibanjina ahy
Ka namaly moramora
Toa tsaroako isan’ora isan’ora

Izany isika nifanena
Toy ny tao SAHA-EDENA
Nifampitsiky sy nihomehy
Nifanoroka elabe

R.JO (1998)
Mahamsina – Sud
--------
Rohy:
2220 3
Hevitra mandeha
lindaglacier ( 14/12/2004 12:00)
mahafinaritra loatra ny tononkalonao ry Malalason a! fa ianao ve taranaka poeta mihitsy sa efa Don ilay manoratra maha te hidera ny sangan'asanao ka tohizo fa tsara.
ny namanao
Linada
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121