SANATRIA, TSY FANAKIANANA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA

Ireny tovovavy ireny raha tsiriritinao ho tiavina
Betsaka ny diso hanta, maro koa ny miavonavona
Raha tazaninao ivelany dia hoy ianao hoe fanaperana
Fa ny any an-tranony any tena tsy azonao itoerana

Ny mampalahelo dia ity, simbasimba fahatany
Noheverin’izy ireo angamba, fa tsisy fetrany ny tany.
Eritreretiny ihany koa, fa ho doria lay hatsarana
Ka navelany haloto, ilay madio tsy hay fafana

Ilay tsiambarambaratelo tokony ho an’olon-droa
Indrisy fa naseho masoandro, ilay tsy manam-paharoa
Henatra amin’ny mpiara-monina, toy ny vay eo an-kandrina
Ka hoy izaho mananatranatra, raha mety akia aleo mitandrina

Ny hasambarana fikatsaka, aoka ho feno fahamatorana
Fa ny fahaizana miaina, iaino ataovy am-pahatsorana
Aza manasaro-javatra, ka ny tena sy aina no amidy
F’izay rehetra hitanao, hiaino ary raiso ho adidy

Ka ho anareo Reny rehetra, ilay antsoina hoe : vehivavy
Tsy fanakianana ny ahy fa tena amin’ny fo miangavy
Ampianaro ireo taranaka ny tena fahaizana miaina
Aleteho ao an-dohany, ka alainy sary an-tsaina

Malalason 10/10/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3121 2
Hevitra mandeha
maeva74 ( 05/04/2010 00:15)
Kanto loatra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107